Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."
Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: "Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?" Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: "Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika".
Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: "Raiso, fa Vatako ity". Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: "Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: "Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa."
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: "Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?" Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco