Alakamisy 3 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

♦ Tsy miova ny datin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany. Mbola mila roa volana sy tapany hamitana ny taom-pianarana kosa ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonany manomboka rahampitso ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo...

♦ Miroso amin'ny fampihenana ny vidin-jiro eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna, amin'ny alalan'ny fampiasàna angovo azo havaozina. Hanomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao koa ny tetik'asa " Branchement Mora"... ♦ Mbola azo atao eny amin'ny masoivohon'ny BFM rehetra manerana ny nosy, hatramin'ny 30 jona izao ny fanakalozana ny vola nivoaka tamin'ny tamin'ny taona 2003 sy 2004... ♦ Manodidina ny 30.000 ny olona vita vaksinin'ny Covid-19 hatramin'izao ary mbola mitohy hatrany ny fanaovana ity andiany voalohany ity... 

Tsy atao hifaninànana akory ny olombelona mpiara-belona aminao, sakamalo sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy. Ny olonna tsirairay dia tokony hanana fototra tsara. Mandeha ho azy ny fihetsika rehefa voataiza tsara ny toe-tsaina. Ny mpiara-belona amintsika dia tsy fahavalo fa manana fijery hafa fotsiny, tsy ny olona no atao hoe fahavalo fa ny tranga-piainana no atao hoe fanamby hihorana. Tsy hatao ao an-tsaina loatra ny hoe "ady ny fiainana" mba hitoetra ny fahatokisan-tena sy ny risim-po ary mba handresena ny tahotra... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...