♦ Fanakorontanana ara-politika, hikasàna hanonganam-panjakàna no ao ambadiky ny hetsika tany Toliara hoy ny fanambaran'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny filoha frantsay eto Madagasikara ny Cellule de crise " Diovy i Madagasikara". Mety hanao hetsika hanoherana izany izy ireo... ♦ Efa misy fidinany kely ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo ankehitriny. Mihena 200 ka hatramin'ny 500Ariary isaky ny kilao izany, ho an'ireo karazam-bary vao vokarina eto an-toerana... ♦Ahiana handamoka indray ny fampitsaharana ny ady any Ukraine...

08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.

Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

8 avrily 2025 — Talata, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...