Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
• Manentana ny mpino katolika tsy an-kanavaka sy ny mpino rehetra izay tsara sitrapo, hivavaka ho an'ny Papa François, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Tsy nisy ny fampahafantarana mialoha ny antony sy ny fotoana hanatanterahana ny fanagiazana ny foiben-toeran'ny antoko HVM, hoy Andriamatoa Rasambany Alain Désiré... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana omaly teny Ankorondrano, rehefa naharitra efarana, ny fiofanana IMS 300...
21 febroary — I Masindahy Pierre Damien dia teraka tao Ravenne tamin'ny taona 1007, izy no farany indrindra amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny. Fianakaviana sahirana sy mahantra no nipoirany.
Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco