Ity taom-pikatrohana ity dia hifantoka kokoa amin'ny firesahana ny soatoavina "fihavanana" Kolontsaina Malagasy fototra. Mandringa ankehitriny ny fahaiza-miaina nananan'ireo Ntaolo, izay nanao ho zava-dehibe ny fihavanana mialoha ny vola, amin'izao fotoana izao mantsy "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny fihavanana, ny fifanajàna no afahana manorina fifanarahana. Raha te handroso dia mila manana tanjona sy mahafaritra dingana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

• Nidina an-dalambe naneho ny hetahetany, ny mponina tao amin'ny Distrikan'Arivonimamo omaly, notarihin'ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Tsy ara-dalana, hoy kosa ny Lehiben'ny Distrika, ny hetsika natao satria tsy nahazona lalana izany... • Nampiato ny asa fitaterana nandritra ny ora roa omaly, ny kaoperativa mpitatitra amin'ny lalam-pirenena voalohany. Misedra olana eo am-panatanterahana ny asany koa izy ireo... • Marary tratran'ny SIDA, na ny karama tsy ampy efa taona maro, ny mpiasan'ny fahsalamana, hoy ny sendika Triade. Hotanterahana ny sabotsy izao ny fivoriambe hitadiavana vahaolana momba izany...

• Nitana ny teny nomeny ka nitarika olona androany ny Solombavam-bahoaka FIVOI, tany Imerintsiatosika. Tsy nihemotra fa nampihatra ny lalana koa ny Lehiben'ny Distrika any Arivonimamo... • Miankina amin'ireo tompon'andraikitra hafa sisa ny hahatongavan'ireo fitaovana hanampiana ny Jirama, avy any Toamasina ho eny Ambohimanambola, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... • Tsy nomen'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hatramin'ny farany, ny toerana nokasain'ny sendika Triade hanaovana fihaonambe. Tsy hihemotra anefa ny sendika...

♦ Sendikan'ny mpiasam-panjakàna ambony (SYNAD) : Tsy manaiky ny hisian'ny hetsika an-dalambe hitarihana vahoaka hanohitra rafim-panjakàna amin'ny maha tany tan-dalàna an'i Madagasikara... ♦ Mila harenina amin'ny asa ny fahasimban'ny sosona ôzôna toy ny tsy fampiasana ireo fitaovana misy akora mpanimba hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Andonirina Max Fontaine... ♦ Vola mitentina 183 tapitrisa Ariary, vidim-panafody teo anivon'ny CHRD-II Itaosy (hopitaly Itaosy) no nahodin'ny mpiasa miisa telo, nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireto farany... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...