Arahabaina isika mianakavy nahatratra izao taona vaovao izao. Enga anie ity taona ity hitondra hafaliana sy fiadanam-po ary indrindra mba hampanjakantsika mianakavy ny rariny sy histiny eo amin'ny fiaraha-monina. Fa ankalazaina amin'izao fiandohan'ny taona izao i Masina Maria Renin'Andriamanitra. Arahabaina manokana ireo arovan'izany Renin'Andriamanitra izany.
Vavaka am-bava no vavaka voalohany nataon'ny olona. Ny molotra no mihetsiketsika voalohany rehefa hivavaka, mamoaka ny avy ao am-po. Ny vavaka am-bava dia fanomezana ho an'ny fiainana kristianina. Ny mpianatra izay voasariky ny Mpampianatra azy dia nangataka mba hampianarin'i Jesoa mivavaka ka nampianariny ny vavaka lavorary indrindra... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
1 janoary 2025 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco