♦ Nahemotry ny CENI ho amin'ny 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahana manatitra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina raha tokony hifarana rahampitso 9 septambra... ♦ Firaketan-draharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo : 2.000 isa isan'andro ireo taratasy fangatahana fanamarinana fizakana zom-pirenena sy Casier Judiciaire voaray... ♦ Madagasikara no handray ny fihaonamben'ireo mampiasa volan'ny AFRICA 50, rahampitso alakamisy 19 septambra etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato... ♦ Nolavin'ilay orinasa Gold Apollo ny filazana azy ho nanamboatra ireo Bipeurs nampiasan'ny Hezbollha Libanais...
♦ Tsy manana olana amin'y hanomezana ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra ho an'ny filoha telo aloha Marc Ravalomanana rehefa mahaloa ny hetra tokony haloany amin'ny Fanjakàna ny tenany hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Ho fantatra anio hariva farafahatarany ny fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc, mirotsaka ho fidiana ben'ny Tanàna an'Antananarivo na tsia, fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga izao sakatsakana izao hoy ny solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko... ♦ Kolotsaina sy ny asa tanana isany misarika ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika fampirantiana Bon Baiser de Tanà etsy Ivato...
Ny lehilahy sy vehivavy mivavaka dia mikatsaka ny ho irery sy ny fahanginana, tsy hoe mba tsy hoelingelinina fa mba hihaino tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Na iza na iza dia afaka mandondòna eo am-baravaran’ny olona mivavaka ary mahita ao aminy ny fo feno fangorahana, izay mivavaka tsy manilika na iza na iza. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco