Izay mivavaka dia tsy mandao an'izao tontolo izao. Raha tsy manangona ny fifaliana sy ny fanaintainana ny vavaka, ny fanantenana sy ny ahiahin’ny zanak’olombelona, dia lasa hetsika sy haingo izany, teatra, fampisongadinana ny tena fotsiny. Isika rehetra dia mila ny mihay ny atin'ny fontsika: mitady toerana, manokana fotoana ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra; tsy midika hoe mandositra ny zava-misy izany. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
17 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
♦ Nandefa taratasy eny anivon'ny CENI, manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antontan-taratasiny ho kandidà Ben'ny Tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Tsy nanafina ny fikasany hanolotra ny PDS teo aloha, Ramanambitana Richard, ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Nasiam-panavaozana maromaro ireo fepetra fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon'ny tany eto Madagasikara...
♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco