Tohin'ny asa fahariana ny Vavak'i Jesoa satria mamerina ny hasin'ny olombelona ho amin'ny fahamasinana izay niantsoany azy hatrany am-piandohana. Mijanona eto an-tany ny fiainana maha olombelona fa ny hitovizana amin'Andriamanitra no entina any an-danitra. Izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina sy Jesoa Kristy ilay nirahiny dia tsy ho tonga zava-boahary vaovao mihitsy izy. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

21 jona 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)

♦ Natsikafon'ny Cnoe androany, ireo tsy fahatomombanana hitany nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo... ♦ Nampiditra vola 500 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahan-tany tamin'ny taon-dasa. Misy indray ny foara iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany, ety Ivato, hampiroboroboana io sehatra io... ♦ Tafakatra 600 eo ny isan'ireo zaza latsaky ny 18 taona voatazona am-ponja. Misy ny atrikasa hitadiavana vahaolana sy hampitoviana ny fomba fijerin'ny mpitsara zaza tsy ampy taona, amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izy ireo...

♦Hifarana ny alatsinainy voalohan'ny volana jolay izao ny fe-potoana fiasana ho an'ireo solombavambahoaka amperin'asa miisa 151... ♦ Miisa 600 ireo ankizy tsy ampy taona voafonja manerana an'i Madagasikara... ♦ Hanomboka anio tolak'andro manoloana ny Gara Soarano Analakely ny PODIUM hafanain'ny mpanakanto malaza samihafa, tafiditra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena... ♦ Hamory ireo kardinaly ao amin'ny lapa Apôstôlika an'i Vatican ny Papa François ny voalohan'ny volana jolay... ♦ Nahafatesana olona miisa 9 sy naharatrana olona 46 hafa ny fipoahana nitranga tao amin'ny toby fitehirizana vanja tao Goudji tany N'jamena, alina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...