Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 12, 1-3)
Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay;
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana eo anoloanao,
hafinaretan-dava eo ankavananao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-14. 18)
Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny,
fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy;
ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe;
“Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe,
ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra,
hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Alaovy ho fanoharana ny aviavy.
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.
Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka it
mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala,
na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza,
afa-tsy ny Ray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faha-32 mandavantaona — b : izay tia, mahafoy ; misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny mpitondra tena dia ireo vehivavy niangaran'ny vintana fa sady mamalona ny tenany no mamelona ny zanany satria tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, ka izay foin'ny olona no hivelomany. Ireny sokajin'olona ireny dia manao asa mitondra aina, miasa mangina. Mety ho kely eo amin'ny fiaraha-monina ny zava-bitan'ireny olona ireny fa lehibe eo anatrehan'Andriamanitra satria manolotra amim-pitiavana sy azo ambara fa ny fiainany manontolo no omeny. Ny hoe "lazaiko marina" dia avy amin'ny teny hoe "AMEN". Ny fampianaran'i Jesoa dia marina tsy azo doifina.
♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny haino aman-jerim-panjakàna indray rahampitso alahady amin'ny 8 ora alina ny Filoha Rajoelina Andry, andrasana izay mety hambarany mandritra izany... ♦ 38% amin'ny taham-pahafatesan'ny zazakely teto amintsika ny taona 2019 dia noho izy ireny teraka tsy tonga volana na ilay antsoina hoe : "prématuré", hanamarika ny andro eran-tany ho an'ny zaza prématuré ny fikambanana Support the premeture... ♦ Manjaka amin'ireo tanàna maro ao Atsinanan'Antananarivo tato anatin'ny herinandro maromaro izao ny doro ala sy doro tanety, mizaka ny voka-dratsin'ny setroka vokatr'izany ihany koa ny ao an-drenivohitra...
♦ Tapaka tamin'ny fivorian'ny OMC Antananarivo fa handraisana fepetra ireo manakan-dalana sy mandoro-kodiarana, efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana momba ireo olona manao fiantsiana anaty tambazotran-tserasera Facebook, momba ny olan'ny famatsiana jiro sy rano ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Nahatratra 444 tao anatin'ny 3 volana izao ireo mpandraharaha vaovao vao niforona raha ny antontan'isa eo anivon'ny fikambanan'ny mpandraharaha Aina vao... ♦ Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy ny alatsinainy 146 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay ho tanterahina any Andekaleka...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco