♦ Miroso mankany amin'ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra ny fandaharana asa fiantohana ara-tsakafo sy ny fanjariana ara-tsakafo, aty amin'ny Tanomasimbe Indiana... ♦ Miara-miasa amin'ny fametrahana ny paikady hiadiana amin'ny afo sy ny doro tanety ary ny doro ala, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny BNGRC... ♦ Isan'ireo firenena kandidà hifaninana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny tanora aty Afrika: Youth Connect Africa Summit, ho an'ny taona 2025, isika Malagasy...

♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...

♦ Tsy eken'ny Depiote mpanohitra ny fividianana fiara 4x4. Tsy nifampierana, hoy izy ireo, ny fanapahana ny fandoavana solika hividianana izany, fa natao tery vay manta... ♦ Hiakatra ho 25% amin'ny tahan'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronon'ireo zokiolona mihoatra ny 80 taona, mandray vola amin'ny CNaPS. Hiakatra ihany koa ny an'ireo maty vady mbola miasa sy tsy an'asa... ♦ Tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 99%-n'ireo karazana sahona misy eran-tany. Nisy ny “Festival des amphibiens” omaly, nanentanana ny rehetra hiaro ireny karazam-biby ireny...

♦ Nampiantso ireo Minisitra teny Tsimbazaza omaly, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nafanafana ny fifamalian-dresaka momba ny olan'ny jiro sy ny rano amin'izao fotoana izao... ♦ Ny 30%-n'ny filana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina sisa ankehitriny no vokarin'ny Jirama, noho ny hain-tany. Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny angovo, omaly... ♦ Nisehoana savorovoro tany amin'ny Distrikan'i Manakara omaly. Savorovoro niafara tamin'ny fandorana ny tranon'ny rain'ilay tovolahy iray, maty nofirin'ny zandary...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...