♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...

♦ Antoky ny fiakaran'ny lanjan'ny toekarena malagasy ny fisian'ny fitoniana ara-pôlitika, hoy ny Masoivoho britanika vaovao miasa eto Madagasikara, nandritra ny fihaonany tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Vintana farany hahafahan'ny Barean'i Madagasikara hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana CAN 2025, ny lalao hihaonana amin'i Gambie... ♦ Efatra isan-taona eo ny herisetra na fanararaotana mianjady amin'ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany, raha ny tatitra voarain'ny OJM...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, izay voatendry ho Evekan'Ambatondrazaka... ♦ Navaozina ny kiôska momba ny torohay ara-pitsarana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo... ♦ Manome tanana amin'ny famatsian-drano ao Toamasina amin'ny alalan'ny JICA i Japon...

♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Ambatondrazaka omaly. Tomefy olona tany Vohidiala, toerana nandraisana azy voalohany... ♦ Napetraka ny “Centre de Commandement Opérationnel”, handrindra ny asa famatsiana rano ho an'Antananarivo. Hifarimbona ao anatin'izany ny Governemanta manontolo... ♦ Najoro ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Natao izany ho fiarovana azy ireo amin'ny teritery sy ny herisetra samihafa amin'ny fanatanterahana ny asany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...