♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitra, izay nifarana vonjy maika ny 28 febroary 2024, raha ny tatitry ny CENI androany... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Tolagnaro, tamin'ny alalan'ny atrikasa nandritra ny roa andro, ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena, any amin'ny fatritra atsimon'i Madagasikara... ♦ Nanainga androany teto Antananarivo, nihazo ny Faritra Atsinanana, ny hetsika “Caravane de Santé” karakarain'ny fikambanana Fitia sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…
Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.
♦ Nahitana taham-piakarana 3,92% ny fisoratana anarana, raha mitaha amin'ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy farany. Izany hoe misy mpifidy vaovao miisa 432.578 ao anaty lisitra... ♦ Natomboka ôfisialy androany, tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga Be ao Mahajanga I, ny fanjonoana makamba... ♦ Nahatratra 44 ny isan'ireo ankizy tsy hita naharaisan'ny Pôlisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona fitarainana, tao anatin'ny roa volana, ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco