♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...

Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy midika ho endrika fanjanahana ny fisokafana sy fiarahana amin'ireo tany miteny frantsay, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia... ♦ Manome fe-potoana 100 andro ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hamaliana ny fitakian'izy ireo, ny sendikà SISFM ivondronan'ireo Sage-femmes sy Infirmiers... ♦ Tsy mametraka olana amin'ny fisokafana amin'ny antoko hafa ny antoko TGV, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ho avy, fa mametraka fitokisana amin'ireo tompon'andraikitra misafidy izay ho kandidà...

♦ Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ankehitriny miaraka amin'ny hery pôlitika sy fikambanana samihafa ny vovonana misy an-dRamatoa Razanamahasoa Christine amin'ny sabotsy izao. Tsy tafiditra ao anaty lahadinika anefa ny resa-pifidianana... ♦ Ho hentitra ny fifantenana ireo olona avy amin'ny antoko pôlititka sy vondronan'antoko ary fikambanana maniry ny ho kandidà an'ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nanohana sy niara-miombon'antoka tamin'ny fananganana ny ivon-toerana vonjy voina eny Ankatso ny PNUD... ♦ Nihotsaka ny toerana iray fitrandrahana harin-tany any atsimon'i Pakistan. Efa miatrana manao ny asany ny mpamonjy voina ka olona roa no hita faty hatramin'izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...