Bokin’i Malakia Mpaminany (Ml. 1, 14b — 2, 2b. 8-10)
Mpanjaka lehibe Aho,
hoy ny Tompon’ny tafika;
ary mahatahotra ny Anarako,
any amin’ny firenena.
Koa ankehitriny, ry mpisorona,
didy mihatra aminareo izao:
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo
ny hanome voninahitra ny Anarako,
hoy ny Tompon’ny tafika,
dia handefa ozona hamely anareo Aho.
Fa ianareo kosa nivily lalana,
nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna,
ary namadika ny fanekena tamin’i Levi,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Koa Izaho kosa,
dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona
eo imason’ny vahoaka rehetra,
satria tsy nitandrina ny lalako ianareo,
sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Tsy iray ray va isika rehetra?
Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika?
Ka nahoana àry ity isika,
no samy mivadika amin’ny iray ra amintsika avy,
ka mandoto ny fanekena amin’ny razantsika?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 130, 1. 23
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko,
tsy miandranàndrana ny masoko:
izaho tsy manenjika zava-baventy
na zavatra ambony tsy sahaza ahy.
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka,
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny;
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko.
Aoka i Israely hatoky ny Tompo
hatrizao ka ho mandrakizay!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 7b-9. 13)
Ry kristianina havana,
naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.
He tsaroanareo, ry kristianina havana,
ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona
na dia iray taminareo aza.
Noho izany,
dia tsy tapaka misaotra an’Andriamanitra koa izahay,
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany,
fa noraisinareo, araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriananitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe:
“Efa mipetraka eo amin’ny toeran’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina,
dia atainginy eo antsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety hanetsika izany
na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra,
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa
noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fitoerana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja
ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety hantsoina hoe Raby,
fa iray ihany no Mpampianatra anareo,
ary mpiray tam-po avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo,
dia Izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe Mpampianatra;
fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry
ary izay hanetry tena dia hasandratra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29)
Ry kristianina havana,
moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?
Sanatria izany!
Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony,
izay efa fantany rahateo.
Koa hoy izaho:
Moa dia tafintohina,
ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo?
Sanatria izany!
Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily,
mba hahavelom-pialonana an’i Israely.
Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao,
ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily,
hanao ahoana re ny hafenoany?
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,
dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana,
izao zava-miafina izao:
nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely,
mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka,
ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo,
rahefa voaesotra ny fahotany.
Raha amin’ny Evanjely,
dia mbola fahavalo izy noho ianareo;
fa raha amin’ny fifidianana kosa,
dia malala izy noho ny razany;
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18
Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiany
amin’ny andro fahoriana.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany,
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy,
poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako!
Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro!
ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!
Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina
naka ny fitoerana voalohany,
dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe:
“Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao,
aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany,
fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao,
ka ho avy izay nanasa anao sy izy,
hilaza aminao hoe:‘Omeo an’itý ny fitoeranao’,
ary amin’izay,
dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany.
Fa raha asaina ianao,
dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka,
ka raha tonga izay nanasa anao,
dia hilaza aminao hoe:‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’;
amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky nirìko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny rahalahiko izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka,
sy ny voninahitra sy ny fanekena,
sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarka,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa!
Derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto;
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didiny aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleioia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa,
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe:
“Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy
ka nositraniny ary nalefany handeha,
izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo,
iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana
na dia sabata aza ny andro?”
Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco