Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…
♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...
Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 4, 12-21)
Izao no lazain’ny Tompo:
Aoka hitsangana ny firenena ary aoka hiakatra izy
ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!
Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary ;
avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika;
satria be ny haratsian’izy ireo.
Vahoaka be, vahoaka be, ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Fa efa antomotra ny andron’ny Tompo
ao amin’ny lohasahan’ny Fitsarana!
Ny masoandro amam-bolana, mihamaizina,
afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.
Hierona avy ao Siôna ny Tompo,
ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;
hihorohoro ny tany aman-danitra.
Nefa ny Tompo no ho fialofana ho an’ny vahoakany,
ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.
Dia ho fantatrareo fa Tompo Andriamanitrareo Aho,
izay monina ao Siôna tendrombohitro masina;
ho fitoerana masina i Jerosalema,
ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.
Amin’izany andro izany,
dia hitete avy amin’ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao;
ny havoana handriaka ronono;
ary ny lohasahan-driaka any Jodà,
hitsororohan’ny rano avokoa.
Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ny Tompo,
ka handena ny lohasahan’i Akasià.
I Ejipta kosa hanjary tany lao,
i Edôma ho efitra faharavana,
noho ny fahasiahana namelezany ny taranak’i Jodà,
fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.
Ary i Jodà, honenana mandrakizay,
ary i Jerosalema koa, mandritra ny taona mifandimby.
Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.
Dia honina ao Siôna Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12
Aoka hifaly izany tany, fa manjaka izao ny Tompo;
koa samia manao korana ianareo nosy maro;
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka, e!
ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazàno hita mason’ny vahoaka.
Ny hazavana vao mitranga, ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina eo imason’Izy Tompo!
Eny, masina ny Anarany, tongava ianao hisaotra.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)
Tamin’izany andro izany,
nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Sambatra ny kibo izay nitondra Anao,
sy ny nono izay ninonoanao!” —“Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa,
izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco