Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:
“Indrisy itý andro itý!”
fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9
Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.
He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:
“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”
Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:
“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)
Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:
“Inona no resakay momba Anao?”
Izao no nolazainareo:
“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”
Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:
‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…
Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 4, 1-11)
Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva,
ka tezitra terý izy.
Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe:
“Indrisy, Tompo ô!
Tsy izao indrindra va no nolazaiko,
fony aho mbola tany amin’ny taniko.
Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha,
satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
malain-kitezitra, be fitiavana Ianao,
ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Koa ankehitriny, Tompo ô,
esory amiko ny fanahiko,
fa aleoko maty toy izay velona.”
Fa hoy ny navalin’ny Tompo:
“Mety va ny hatezeranao?”
Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa,
ka nipetraka teo atsinanan-tanàna,
nanao trano rantsan-kazo ho azy,
sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io
mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.
Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga,
izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa
mba hialokalofan’ny lohany,
mba hanafahana azy amin’ny alahelony
ka nahatsiaro faly erý i Jônasa,
tamin’ny tanantanamanga.
Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana,
dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga,
ka tonga maina izy.
Nony niposaka indray ny masoandro,
dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo
sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa;
ka efa àna mihitsy izy.
Nangataka ny ho faty izy nanao hoe:
“Aleoko maty toy izay ho velona.”
Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa:
“Mety va izao hatezeranao,
noho ny amin’ny tanantanamanga izao?”
Ka hoy ny navaliny:
“Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.”
Dia hoy ny Tompo:
“Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao,
izay naniry tamin’ny indray alina monja,
dia maty tanatin’ny indray alina koa;
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva,
tanàna lehibe,
izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy,
tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany,
ary biby be dia be!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Itý fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo;
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy,
izany antso sy talahoko reneso.
Ary ireo firenena arianao,
ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
mahagaga raha ny asa vitanao.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:
“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”
Ary hoy Izy taminy:
“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay,
fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco