♦ Mitondra ny akon’ny Sinaodin’ny Eveka, Eglizy miara-dia, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina… ♦ Mitodika bebe kokoa amin’ny olona manana fahasembanana ny vavaka iarahana amin’ny Papa François amin’ity volana ity… ♦ Nosokafana omaly 30 nôvambra tao Dubaï ny COP andiany faha-28...

Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...

♦ Lany ho Filoham-pirenena hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny 5 taona ho avy indray, Andriamatoa Rajoelina Andry, araka ny didy navoakan'ny HCC... ♦ Olona 10 hatramin'ny 15 isan-kerinandro no manao ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA, eny amin'ny Hôpitaly Befelatanana... ♦ Mbola nisy asan-dahalo nitranga tany amin'ny Distrikan'i Mandoto tamin'ity herinandro ity, na dia efa any an-toerana manao hetsika manokana aza ny mpitandro ny filaminana...

Ny tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fandresena ny SIDA, hatramin'ny taona 2030. I Madagasikara dia isan'ireo firenena nanaiky ny hiady amin'ny aretina VIH/SIDA, ary misy ireo dingana tratrarina hatramin'ny taona 2030. Ny daty ny 1 desambra dia andro iraisam-pirenena natokana hanamarihana ny ady amin'ny SIDA, Ankino amin'ny fiaraha-monina ny fitarihana ny ady amin'ny VIH/SIDA. Io andro io dia hanentanana ny olona momba ny ady amin'ny SIDA, fisintonana ny sain'ireo tompon'andraikitra mikasika ny dinga efa vita manoloana ny ady, fanohanana ireo olona efa mitondra ny tsimok'aretina sy fahatsiarovana ireo efa matin'ny aretina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...