♦ Hanao laharam-pahamehana ny sôsialim-bahoaka sy ny fananganana orinasa amin'izao fe-potoana hiasana faharoa hitondrany ny firenena izao Andriamatoa Andry Rajoelina. Hitsinjo ny marefo ihany koa izy ary hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Manaiky n y voka-pifidianana filoham-pirenena navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena amin'i Madagasikara. Vonona hiara-hiasa amin'ny filoha voafidy izy ireo araka ny fanambarana niombonan'izy ireo... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampisakafoana ny mpianatra any an-tsekoly sy ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra ny fandaharan'asa PAM...
Amin'ny maha-Mpaminany ny Eglizy, ambaran'ny Konsily fa "tokony hahazo milaza ny heviny izy ny amin'izay mikasika ny fitondran-tena na dia amin'ny zavatra momba ny pôlitika aza, raha toa izany mikasika ny zo-fototra sy ny famonjena ny olombelona. Ny ampiasaina amin'izany dia ny zavatra rehetra mifanaraka amin'ny Vaovao Mahavaly sy ny soa ho an'ny rehetra araka ny toetr'andro sy ny toe-javatra samihafa. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
2 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
♦ Hanao laharam-pahamehana ny sôsialim-bahoaka sy ny fananganana orinasa, amin'izao fe-potoana faharoa hitondrany ny firenena izao, Andriamatoa Andry Rajoelina. Hitsinjo ny marefo ihany koa izy, ary hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Manaiky ny voka-pifidianana Filoham-pirenena navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ireo mpiara-miombona antoka amin'i Madagasikara. Vonona hiara-miasa amin'ny filoha voafidy izy ireo araka ny fanambarana niombonan'izy ireo...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco