Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)
Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:
“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8
Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)
Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.
Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...
♦ Manatanteraka fiofanana ireo katesista ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ka ao amin'ny "Centre d'accueil" Mandritsara no hanatanterahana izany... ♦ Notontosaina nanomboka ny faha-9 ary hifarana ny alatsinainy 13 aogositra 2023, ny Filankevitra Nasiônaly, tanterahan'ny Vovonam-pirenena Katôlika'ny Lehibe, eny amin'ny Akany Mariazy Mirindra Ambohipo... ♦ Hotontosaina ny alahady 13 aogositra 2023, ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona eto ami'ny Diôsezin'Antananarivo sy ny Distrikan'i Namehana, toerana izay nahabe azy...
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 14-29)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe:
“Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana;
ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta,
ka manompoa ny Tompo.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina;
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony;
na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”
Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:
“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika
sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Ny Tompo nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’itý tany itý.
Izahay koa hanompo ny Tompo fa Andriamanitsika Izy.”
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:
“Tsy mahatompo ny Tompo ianareo,
fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro;
tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.
Raha mahafoy ny Tompo ianareo, ka manompo andriamani-kafa
dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo
Izy izay efa nanao soa anareo.”
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:
“Tsia, fa hanompo ny Tompo izahay.”
Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:
“Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo,
fa nifidy ny Tompo hotompoina.”
Hoy ny navaliny:
“Vavolombelon’izany izahay.”
— “Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo,
ary avereno amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely ny fonareo.”
Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:
“Ny Tompo Andriamanitsika no ho tompoinay,
ary ny feony no hohenoinay.”
Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany
ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo.
Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny aoka,
teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’ny Tompo.
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:
“Indro itý vato itý no ho vavolombelona amintsika,
fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika io;
ho vavolombelona aminareo koa io,
mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.”
Dia nampodian’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’ny Tompo,
tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 11
Andriamanitra Tompo ô, ambeno f’Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay,
toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy;
ka isaorako mandrakizay!
E ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)
Tamin’izany andro izany,
nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”
Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco