Boky Jenezy (Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a)
Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra,
ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina.
Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra:
“Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.”
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary,
novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany,
ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy;
ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa,
fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely,
ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany,
ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra.
Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy;
nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy.
Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.
Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo,
hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo,
ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Koa ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy;
dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”
Dia nataony izany.
Ary nifampilaza izy nanao hoe:
“Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika;
fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika,
tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika
ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.”
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe:
“Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe:
Aza manota amin’ny zaza?
Nefa tsy nohenoinareo akory izany;
koa indro arahina amintsika izao ny rany.”
Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa,
satria mpandika teny no niresahany taminy.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa
rahefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
♦ Hotanterahana eny amin'ny kianja Soamandrakizay ny alahady 09 jolay 2023 ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Rzanakolona, Arsevekan'Antananarivo nandritra ny 18 taona... ♦ Nanentana ireo ao anatin'ny tokantrano imaso hiroso amin'ny sakramentan'ny fanambadiana ny Vaomieran'ny Fianakaviana ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Hitsidika an'i Mongolie ny 31 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2023 ny Papa François...
Boky Jenezy (Jen. 32, 22-32)
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba,
nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy
ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy:
dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Nalainy ireo,
nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo,
ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy,
mandra-pahazavaratsin’ny andro.
Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy,
dia ny famavàn’ny feny no notendreny
ka nivika terý ny foto-pen’i Jakôba
nandritra ny nitolomany taminy.
Dia hoy izy tamin’i Jakôba:
“Avelao aho handeha,
fa efa hazava ratsy ity ny andro.”
Fa hoy i Jakôba:
“Tsy avelako handeha ianao,
raha tsy efa nitso-drano ahy.”
Dia hoy izy taminy:
“Iza no anaranao?”
Ary novaliany hoe:
“Jakôba.”
Ka hoy izy:
“Tsy hatao hoe i Jakôba intsony ny anaranao,
fa hatao hoe i Israely,
satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.”
Dia nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe:
“Masìna ianao,
mba ampahalalao ahy kely ny anaranao.”
Fa hoy izy:
“Ahoana no anontanianao ny anarako?”
Dia nitso-drano azy teo izy.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy:
“Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho,
nefa velona ihany ny aiko.”
Nony niala teo Fanoely izy,
dia indro hitany niposaka ny masoandro;
nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely
ny hozatra lehibe ao amin’ny famavàn’ny fe mandraka androany,
dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavàn’ny fen’i Jakôba
teo amin’ny hozatra lehibe.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ekeo re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy;
ny masonao mahità ny hitsiny.
Savao ny foko; tampohy alina aho;
manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao!
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho;
mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony,
dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:
“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”
Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:
“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco