Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...
Ny zokiolona dia mampahafantatra ny fototra, mampita lova-panahy sy lova-tsofina ; mitahiry sy mampahafantatra ny fototry ny vahoaka, mampitohy ny tantara. Izay manaja ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manaja an'Andriamanitra ihany koa. Fatorana mampitohy ny taranaka mifandimby ny zokiolona indrindray mampita traik'efa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
25 janoary 2024 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco