Boky Jenezy (Jen. 18, 1-15)
Tamin’izany andro izany, dia niseho tamin’i Abrahama teo amin’ny terebintan’i Mambre ny Tompo,
raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy,
tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
Nanopy ny masony ary nijery izy,
ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy.
Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy,
ary rahefa niankohoka tamin’ny tany izy, dia nanao hoe:
“Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho,
aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo.
Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo,
fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.”
Dia hoy ny navalin’ireo:
“Ataovy àry, araka izay voalazanao.”
Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:
“Faingàna ianao,
mangalà lafarina intelon’ny famarana,
ditio ka ataovy mofo.”
Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby,
dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy,
ary nomeny ny mpanompony izay nahandro faingana;
dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy,
ary narosony izany teo anoloan’izy ireo,
ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo.
Ary nihinana izy ireo.
Rahefa izany dia hoy ireo taminy:
“Aiza i Sarà vadinao?”
Hoy ny navaliny:
“Ao an-day ao izy.”
Ary hoy izy:
“Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao,
ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.”
Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana;
ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,
ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe:
“Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa?
ary ny tompoko koa itsy efa antitra!”
Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama:
“Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe:
‘Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray?’
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’ny Tompo va na inona na inona?
Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho;
ary i Sarà dia hahazo zazalahy.”
Nandà i Sarà nanao hoe:
“Tsy nihomehy aho tsy akory”;
fa natahotra izy.
Hoy izy:
“Tsia, fa nihomehy tokoa ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Lk. 1, 46-47. 48-49. 50 sy 53. 54-55
Ny foko midera ny Tompontsika,
ny saiko mifaly amin’Andriamanitra.
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy,
ilay mpanompovaviny tsinontsinona.
Fa indro manomboka ankehitriny,
hantsoin’ny taranaka: “Sambatra” aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
ilay hoe: “Ny Masina no Anarany.”
Ilay mandrakizay ny indrafony
amin’ny olon-drehetra matahotra Azy.
Ilay manototra soa an’ireo noana,
fa mampody maina an’ireo mpanana.
Mpanarina an’i Israely olony
satria mahatsiaro ny indrafony
nampanantenainy ny Razantsika
ho an’i Abrahama sy izay taranany.
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 5-17)
Tamin’izany andro izany,
rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa,
dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe:
“Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko,
sady mijaly mafy dia mafy.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ho avy hanasitrana azy Aho.”
Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe:
“Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho,
fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa,
ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: ‘Andeha ianao’, dia mandeha izy;
ary amin’ny anankiray hoe: ‘Avia ianao’, dia avy Izy;
ary ny ankiziko: ‘Ataovy izao’, dia manao izy.”
Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy:
“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely.
Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana
no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be
miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa ny zanaky ny fanjakana kosa,
dia hariana any amin’ny maizina any ivelany;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”
Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny:
“Mandehana,
ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.”
Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa,
dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,
dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo,
ary nitsangana nisarivý azy ireo izy.
Ary nony hariva ny andro,
dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy,
ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy,
ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,
mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe:
‘Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika’.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...
Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz. 9, 1-6)
Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan'ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoraka azy,
dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty mihosin-dra rehetra,
dia atao anaty afo: ka levon'ny afo.
Fa misy zaza teraka ho antsika;
zazalahy nomena antsika;
ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga,
Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay,
Andrian'ny fiadanana,
mba hanitatra ny fanjakana,
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Vakiteny hafa azo ifidianana:
Fanisana 6, 22-27 : Hiantso ny Anarako amin'ny zanak'i Israely izy, ary Izaho hitso-drano azy.
Izaia 32, 15-20 : Ny vokatry ny fahamarinana dia ny fandriam-pahalemana.
Izaia 57, 15-19 : Fiadanana ho an'ny lavitra, fiadanana ho an'ny akaiky.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain'ny Tompo aho;
moa tsy fiadanana no lazainy
ho an'ny olony mpivavaka aminy,
ho an'izay manankim-po aminy?
Akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany,
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 3-14)
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin'i Kristy,
amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra
sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy isika:
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny Rany,
sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,
izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony,
izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasàn'Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika nanantena an'i Kristy rahateo.
Tao aminy ianareo no nino,
rehefa nahare ny tenin'ny fahamarinana,
ny Evanjelin'ny famonjena anareo,
ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina,
Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika,
mandram-pahatanteraky ny fanavotana
an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Vakiteny hafa azo ifidianana
Filipianina 4, 6-9 : Hiaro ny fonareo sy ny sainareo anie ny fiadanan'Andriamanitra.
Kôlôsianina 3, 12-17 : Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'i Kristy.
Jakôba 3, 13-18 : Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fivavahana.
Aleloia. Aleloia.
Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo.
Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza manahy ianareo manao hoe:
‘Inona no hohaninay,
na inona no hosotroinay,
na inona no hotafinay?’
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany,
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo,
fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely hafa azo ifidianana
Joany 14, 23-29 : Fiadanana no avelako ho anareo.
Matio 5, 13-20 : Aoka ho lehibe noho ny an'ny Farisianina ny fahamarinanareo.
Matio 20, 20-28 : Izay lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo.
Joany 8, 12. 30-36 : Izaho no fahazavana... ary ny fahamarinana no haha-olona afaka anareo.
Joany 10, 1-10 : Izaho kosa tonga mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Bokin’ny Jenezy (Jen. 17, 1-2. 9-10. 15-22)
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama
dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe:
“Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra;
mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”
Hoy Andriamanitra koa taminy:
“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.
Ka ny fanekena hotandremanareo,
izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao:
Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”
Hoy koa Andriamanitra:
“Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany.
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao.
Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe:
“Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray!
Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”
Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra:
“Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”
Kanefa hoy Andriamanitra:
“Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao:
hataonao Isaaka no anarany;
ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho,
dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho,
ka efa nitso-drano azy Aho;
hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra.
Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy
hotongaviko ho firenena lehibe.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka,
izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao,
raha avin-taona toy izao.”
Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra
dia niakatra Izy niala teo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)
Tamin’izany andro izany,
raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa,
dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:
“Tompo ô, raha mety Ianao,
dia mahay manadio ahy.”
Ary i Jesoa naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy ka nanao hoe:
“Mety Aho, madiova ianao.”
Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco