♦ Tsy antenaina ny hahatanterahan'ny fihaonana eo amin'ireo Solombavam-bahoka sy ny mpikamban'ny Governemanta anio, na dia mbola voatazona aza ny fandaharam-potoana ny amin'izany... ♦ Noravan'ny Filankevi-panjakana ny didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, izay nampiato ny fandroahana an' Baba Rakotoarisoa amin'ny asany... ♦ Niantso ny mpanjifa ho mailo amin'ireo entana lany daty, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, amin'izao vanim-potoana hidirana amin'ny fety izao...
Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
♦ Voafidy ho Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an'ny Faritanin'Antananarivo, Andriamatoa Naivo Raholdina. Izy indray no hitana io andraikitra io, tao aorian'ny fodiamandrin'ny Depioten'i Faratsiho, Honoré Rasolonjatovo... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo kôlônely roa zanak'i Vakinankaratra, voarohirohy tamin'ilay raharaha ambara fa fikotrehana fanonganam-panjakana, ny fikambanana ivondronan'ny terak'i Vakinankaratra. Nanao fanambarana tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco