Ny fihavanana no tena ilaina amin'izao olana misy eto amin'ny firenena izao, izay kolontsaina fototra mitondra amin'ny lamina sy rindra, loharanon'ny fivoarana. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ilay ny fanomezan-danja sy fihainoana ny hetahetan'ny rehetra. Ny famelan-keloka dia isan'ny toetsaina mitondra amin'ny filaminana sy firindràna, tsy misy mahita soa amin'ny fifampiandaniana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hampihatrano ny fanokafana ôfisialy ny taom-pianarana 2025-2026 eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Vikaria Manodidina-Atsinanana. Fanokafana hatao eny amin'ny Kianjan'ny Bevalala-Malaho rahampitso... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny SADC mamita iraka eto Madagasikara teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha, omaly, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hitsangana tsy ho ela ny governemanta hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Praiministra teo aloha ny Jeneraly Zafisambo Ruphin. Lanonana teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo, omaly...
• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...
♦ Tsarao amin'ny asa vitako aho hoy ny praiministra, izy izay mametraka ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena, nandray ny toerana maha praiministra azy ny maraina teo moa Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Miato ary hahemotra avokoa ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakàna araka ny fanapahana navoakan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara Kôlônely Michaël Randrianirina androany... ♦ Misy andian'olona mitady haka fahefana tsy ara-dàlana ka mitaky ny fanesorana ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo renivohitra...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco