Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha." Dia hoy ny Jody: "Hamono tena angaha Izy no manao hoe: izay alehako tsy azonareo aleha?" Fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Ianareo avy etý an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao. Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo." Dia hoy ry zareo taminy: "Iza moa Ianao?" Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Izay lazaiko aminareo indrindra. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina Ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao." Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko. Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva." Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana." Dia hoy ny Farisianina taminy: "Manambara tena Ianao, ka tsy marina ny fanambaranao." Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Na dia manambara tena aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako sy izay alehako. Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy; ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa. Ary Izaho sady manambara ny tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa." Dia hoy ry zareo taminy: "Aiza ny Rainao?" Fa i Jesoa namaly hoe: "Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa." Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra, azo nijangajanga itý vehivavy itý. Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?" Izy no nanao izany, dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany." Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?" Hoy izy: "Tsy nisy, Tompoko." Dia hoy i Jesoa: "Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony."
Tamin’izany andro izany, nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: "Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay". Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa. Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao". Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray". Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: "Kotro-baratra izany"; fa hoy kosa ny sasany hoe: "Anjely niteny taminy izay". Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy". Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco