♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...

Ilay zaza mpandany dia nanao sesi-tany ny tenany, anefa noraisin'ny Rainy rehefa nody sy nibaboka, tsy nahafaly an'ny zanaka tao an-trano anefa izany. Hita taratra tamin'io tantara io ny asa nataon'ilay zaza mpandany, ny toe-piainan'ireo tantsaha sy ny fiompiana hataony, ny fifanampian'ny ankohonana sy ny fifankatiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

18 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...