31 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)
Asan'ny olona ny mikolo ny zava-boahary mba tsy hampiova ny endriky ny sahan'i Edena. Notsofin'Andriamanitra rano ny olombelona hampita ny ain'Andriamanitra. Ny olombelona tsy maintsy manompo zava-boahary : mamelona, mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Nisy talohan'ny fahotana ny asa, manaho ny fahalavorarian'Andriamanitra fitiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
30 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-52)
Nifarana androany zoma 28 jolay 2023 ny hetsika fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny lefak'ozatra. Ny lefak'ozatra dia aretina azo avy amin'ny tsimok'aretina "poliovirus". Ny poliovirus dia velona ao anaty tay, na koa ao anatin'ny olombelona. Maro ny olona no tsy manaja ny fahadiovana ka manary tay eny amin'ny lakandrano, bakan-jaoridira, eny an-dalambe. Mifindra haingana ny "poliovirus" raha tsy voatandrina ; efa foana ny tranga ny taona 2018 anefa niverina nirongatra ny 2020 hatramin'izao...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco