Zoma 3 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
♦ Nanomboka androany tatsy Addis-Abeba, Etiôpia, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinataly ho an'i Afrika. Mahatratra 206 ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra ao Afrika sy avy aty Madagasikara... ♦ Niverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika, androany maraina, ny sisan'ilay rivodoza Freddy. Mantanjaka ireo tangoron'oram-baratra miaraka aminy, saingy mbola lavitra ny foibeny, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Tafakatra 94% ny taham-pandoavan-ketra teto amintsika tamin'ny taon-dasa. Vola 3608 miliara Ariary no niditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakana, noho ireo fampidiran-ketra samihafa...
♦ Vonona hiatrika ny fifidianana ho avy ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara. Ny teritery sy ny fanenjehana ireo mpitarika sasany tao amin'ny antoko, no nisintahan'ny mpikambana sasany, hoy Andriamatoa Raveloson Thierry... ♦ Iharan'ny tsy fanajana ny zo tokony hisitrahany, ny mpiasa eo amin'ny sehatry ny fitaterana anabakabaka. Maherin'ny 2000 no misedra izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Tsy eken'ny mponina any Andilana Avaratra, Distrikan'Amparafaravola, ny hanokafana ny toeram-pitrandrahana vato sarobidy ao aminy...
Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco