♦ Hanampy amin'ny fanarenana ny fiangonana rehetra simba tamin'ny rivodoza ny fitondram-panjakana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, tamin'ny solontenan'ny FFKM tany Nosy Varika, omaly... ♦ "Cliniques mobiles" efatra no natolotry ny PNUD, hitsaboana ny mponina any amin'ny faritra atsimo... ♦ Sakana ara-kolontsaina sy tsy fahatokisana ny fahaiza-manaon'ny vehivavy, no tena mbola mahavitsy ny vehivavy misehatra eo amin'ny raharaham-panjakana sy amin'ny toerana fandraisana fanapahan-kevitra, eto amin'ny firenena...

Hoy ny Papa Léon XIII : ny fiaraha-monina rehetra dia mila mpitondra hifehy azy ; ilaina io mba hampiombona. Anjara andraikitry ny mpitondra no mikatsaka ny soa iombonana, mizara izay sahazan'ny tsirairay avy, ary manampy ny tsirairay hitombo sy hivelatra. Ny toetran'Andriamanitra, ilay tsy manavaka fa mitsinjo izay ilain'ny rehetra no tsy maintsy ho toetran'ny mpitondra. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

♦ Nanolotra fiara efatra ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ampiasaina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny PNUD... ♦ Nankahery ireo mponina tao Nosy Varika, niharan'ny vokadrasty navelan'ny rivodoza Freddy, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Nikarakara atrikasa nanasana ireo mpandinika ara-piaraha-monina, nijerena ireo sehatra tsy afahana manome sehatra ny vehivavy, ny Filankevi-pirenen'ny Vehivavy eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...