♦ Ny tapaky ny volana janoary 2023 no hohamasinina ho eveka i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendry ho evekan'Ambanja... ♦ Tale 32 teo anivon'ny Jirama no nohadihadiana teny amin'ny Tendrim-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly eny amin'ny 67Ha. Nohenoina tsirairay izy ireo, ho tohin'ilay raharaha fitoriana napetraky ny firaisam-ben'ny Sendikan'ny mpiasa teny amin'ny Bianco... ♦ Mitaky ny mbola tsy handaniana, ilay tolo-dalana momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana, eny Tsimbazaza, ny firaisan-kinan'ireo sekoly tsy miankina amin'ny finoana...
29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.
Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Talata 29 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco