♦ Lohahevitra miisa efatra (4) no nifantohan'ny fehin-kevitra tamin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana na ny Justice et Paix... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny amin'ny Antenimeraram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2023. Ora dimy monja ny dinika sy ny ady hevitr'ireo solombavambahoaka miisa 95, nandaniana izany omaly... ♦ Tale ambony miisa 14 amin'ireo 48 isa nandalo tombana teo anivon'ny Jirama no noesorin'ny filan-kevi-pitantanana tamin'ny toerany. Tsy maintsy handalo "entretien" ny tale jeneraly, izay tsy mbola niverina niasa hatramin'izao...
26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.
Betsaka ny vehivavy na ny renim-pianakaviana no misafidy ny hitaiza irery ny zanany, izany hoe te-hiteraka anefa tsy te-hanambady. Ny antony dia mahita ireo fijaliana iainan'ireo vehivavy efa manambady izy ireo. Ny zaza tsy misy rainy mazava dia mitovy amin'ny fijangajangàna. Mampahory ny zanaka ny safidy hitaiza irery ny zanaka, satria tsy ho feno ny fanabeazana io zaza io, sady fandavana tanteraka ny sakramentan'ny mariazy izany. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Sabotsy 26 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco