Manampy antsika hahay handray fanapahan-kevitra an-kalalahana eo amin'ny fiainana : miezaka ny hahafantatra lalina sy marina ao anatin'ny fo ny fahaiza-mandanjalanja ; te-hahalala ny faniriana. Maro ny karazana fandanjalanjana : antso, ara-môraly, ara-panahy... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Talata 25 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21
♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainana anatin'ny Eglizy maneran-tany, ao amin'ny Sekreteram-panjakana ao Vatican, ny Visite Ad Limina, androany maraina... ♦ Efa misy ireo mpirakidraharaham-pitsarana miverina miasa, ary tsy maintsy hiatrika ny fahatapahan'ny karama ho an'ireo mbola miziriziry mampikatso ny raharaham-pitsarana, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... ♦ Isika rehetra miray hina no afaka hanova ny tantara, hoy ny Filoha nasionalin'ny antoko MMM, tany Bealalana...
♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco