Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 7, 1-3. 15-17

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana,
io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema,
mpisoron’ny Avo indrindra,
nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,
notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra;
— “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany,
vao “mpanjakan’i Salema” koa,
izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”;
tsy ray tsy reny izy,
tsy nanana tantaram-pirazanana izy,
tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana —
ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany,
rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho
tahaka an’i Melkisedeka:
tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo,
fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana,
fa toy izao no anambaràna azy:

“Ianao no Mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
“Avy ao Siôna,
manjakà hatr’anivom-pahavalo!”

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 1-6

Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono?

Indray Sabata,
i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao.
Ary nizaha taratra Azy ny sasany
na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia,
mba hiampangany Azy.
Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana:

“Mitsangàna etsy afovoany.”

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona:

“Inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo.
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy,
sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony,
ary nilaza tamin-dralehilahy hoe:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Ary lasa nivoaka ny Farisianina:
ka niaraka tamin’izay
dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina
hanao izay hahavoazana Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Lahabolana an-kira, fanao amin'ny faritra atsimo andrefan'ny nosy ny "beko" ka ny tena miangaly azy ity dia ry zareo Antandroy sy Masikoro ; fanao an-danonana (fahoriana na fifaliana) ity karazan-dahabolana ity. Tahaka ny karazana literatiora aman-dahabolana rehetra dia mivoatra ny "beko" ka na eo aza ny mbola fiangaliana ny "beko" nentim-paharazana dia efa misy ihany koa ny amin'ny endriny ankehitriny. Ho an'ny "beko" nentim-paharazana dia samy afaka mibeko avokoa ny rehetra : na kely na lehibe, indrindra ny zatovo lahy. Ny "beko" vaovao dia miavaka amin'ny tonony sy ny feony raha mitaha amin'ny nentim-paharazana ka ampiasaina amin'ny hira fanao any am-piangonana sy ny hira madinika izy ireny...

♦ Mbola nanamafy ny fitakiana ny hanatsaràna ny fomba fikarakaràna ny fifidianana hotanterahina amin'ity taona ity ny RMDM. Nilaza Andriamatoa Marc Ravalomanana fa tokony hovaina ny Lalàm-pifidianana sy ireo mpikamban'ny rafitra mpikarakara... ♦ Velaran-tany 13.000 ha any antampon' i Ihorombe no hanaovana tetik'asa fampandrosoana marolafy. Hapetraka any an-toerana ny "zone d'emergence integré" hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Miantso ny Fanjakàna foibe hijery akaiky ny fomba hamahàna ny olana mampikatso ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara ireo Sefo Fokontany ao Toliara-I. Ho tombontsoan'ny Faritra Atsimo-Andrefana no anton'izany hoy izy ireo...

Ny finoana tsy latsa-paka dia toy ny fialam-boly na ambin-javatra fotsiny. Raiso ho toy ny fitaovana rehetra ampiasaina ireny fitaovana ireny, ka misy ny fotoana ampiasàna azy fa tsy izy no mandany ny andro rehetra. Mila asongadina mandrakariva ny maha fiangonana kely hanovozam-panahy ny fianakaviana. Aoka ny ray aman-dreny hipetraka mandrakariva eo amin'ny toeran'ny mpanabe. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...