Ao amin'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia niresaka toy ny fianakaviana iray raha namorona ny olombelona : " Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika" (Jenezy 1, 26). Ilaina ny fifampiresahana mazava fa tsy miolakolaka mba harisika sy resy lahatra ilay olona hanatanteraka ny soa iombonana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
Sabotsy 8 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28
♦ Tsy mankasitraka ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena ny antoko Lia Raiky... ♦ Nijerena ny olana sy ny paikady hampivoarana ny asa tanana no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doham-pirenena momba izany, natao tetsy Ivato, androany... ♦ Tafapetraka ny birao vaovaon'ny Antenimieran'ny Varotra eto Antananarivo...
Lohahevitra telo lehibe no nifanentanan'ny lahika teto Madagasikara tamin'ny fankalazana ny andron'ny lahika ny 23-25 septambra 2022. Nivoitra nandritra ny fandalinam-pinoana fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fijoroana ho vavolombelon'ny fahamarinana ny lahika eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ireo lohahevitra telo ireo nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Asam-pamonjena ataon'ny Lahika
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco