♦ Hampody an'ireo malagasy mpianatra miisa 30 nahavita fianarana tany ivelany ny Fanjakàna malagasy. Hiantoka ny saran-dalan'izy ireo mody eto Madagasikara ny Fanjakàna... ♦ Hizara zezika ho an'ny malagasy tantsaha ny Fanjakàna. 4 miliara Ariary no natokana hividianana izany zezika izany hiatrehana ny taom-pambolena... ♦ Mila hatsaraina ny volavolam-pehezan-dalana voavao momba ny harena an-kibon'ny tany vao tokony haroso hodinihan'ny antenimiera mpanao lalàna hoy ny Filohan'ny Kômity iraisam-paritry ny harena an-kibon'ny tany na ny CIRM Atsimo-Andrefana Jean Désiré Marcelin... ♦ Nanao andrana tifitra balafomanga indray ny Kôreana tavaratra androany maraina...
Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco