Ny Papa Fransoa dia mampianatra antsika ny lanjan'ny vehivavy eo imason'Andriamanitra : fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy, hoy izy, ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'izy ireny, toy ny teny mandratra, horohorontsaina, ny tsy fanomezana vola hikarakarany ny tokantranony, ny fiheverana ny vehivavy ho toy ny fananan'ny lehilahy manokana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Sabotsy 24 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 43b-45
♦ Ho azon'i Madagasikara tsy ho ela ilay "Tahiry maitso ho an'ny toetrandro", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, tamin'ny Filoha Malagasy... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena, hitondrana fanitsiana ilay lalana mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo isa ny tahan'ny fitarainana voarain'ny Bianco tamin'ny taona 2021, raha mitaha amin'ny taona teo aloha...
Mandrisika ny olona handray ny voka-dehibe amin’ny sakramenta ny sakramentaly. Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina. Fanazavana momba ny hevitry ny sakramentaly entin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco