Ny tosi-drà dia mitarika fahafatesana raha dia ka miakatra avo loatra. Ho an'ireo izay manao fitsapana tosi-drà an-trano dia ireto tarehimarika ireto no mety hiseho (13-8), mba tsy handiso ny valin'ny fitsapana dia ilaina ny mak'aina tsara vao mampiasa ny fitaovana. Na mahita ireo tarehimarika ireo aza dia ilaina ny fanaraha-maso io tosi-drà io 3 hatramin'ny 4 andro vao afaka milaza fa manana tosi-drà avo ny olona iray. Misy ambaratonga telo ny tosi-drà avo : HTA maivana (14-15), ny HTA antonony (16-17), ary ny fahatelo dia ny HTA avo indrindra (+18). Maro ny antony mahatonga ny tosi-drà ho avo : sakafo, zava-madomelina, raritsaina, takaitra napetraky ny Covid-19. Fambara : marary andoha, fanina, mivalana, mena maso...

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany maraina ny andron'ny Laika eto Madagasikara tanterahana any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka. Andron'ny laika be mpandray anjara indrindra, 2000 isa mahery ireo mpandray anjara avy amin'ny diôsezy miisa 13 sy ny fikambanana Masina... ♦ Fifanolanana eo amin'ireo ben'ny tanàna any amin'ny Faritra Bongolava sy ny Governora amin'ny Prefektiora Tsiroanomandidy : mandeha ankehitriny ny fanadihadiana hoy ny ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Baolina kitra : hihaona amin'ny ekipam-pirenena avy atsy Seychelles eny Mahamasina anio folakandro ny Barea U-23. Lalao mandroso dingana voalohany ahafahana mandray anjara amin'ny Can 2023. Any Maroc hidona amin'ny Congo ny Barea zokiny...

♦ Nanome toromarika ny ekipany hanampy an'i Madagasikara ahafahana misitraka ilay famatsiam-bola avy amin'ny Tahiry Maintso ho an'ny Toetr'andro ny Sekretera jeneralin'ny firenena mikambana raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena malagasy tany NewYork izy... ♦ Hiditra amin'ny raharaha politika indray ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara hanomboka anio. Amin'ny alalan'ny "varavarana misokatra" no hanehoan'ny antoko izany anio... ♦ Tsy maintsy haverina ho jerena hitondrana fanitsiana ilay lalàna mampitovy zo ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fandraisana andraikitra ambony hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena...

24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...