♦ Miverina nanomboka omaly faha 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy any ivelany, raha naato efa ho herin-taona latsaka izao... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny ministera raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny ministra Princia Soafilira tamin'ilay raharaha fanapohana solika. Manana hatramin'ny anio anefa ilay gazety nilaza izany hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana, maherin'ny 1.000 isa any amin'ny distrikan'Andilamena no nisitraka Vary-Tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakàna. Nanome toky ny praiministra, fa hojerena manokana ny hisitrahan'ny mponina ireo foto-drafitrasa nangatahany, toy ny tsena sy ny fahazoana rano fisotro madio...

21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.

Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa  voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny  handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...