Tia mandinika sy miady hevitra ny lehilahy , na mbola kely na efa vory saina dia efa hita fa miaraka amin'ny vondron-jazalahy mitovitovy taona aminy, miara-milalao baolina, na miady hevitra rehefa milalao. Matetika ao anatin'izany no samy te hametraka ny heviny ho marina sy tsy tokony ho lavina avokoa. Manaiky koa anefa izy fa ao anatin'izany vondrona misy azy izany no hametrahany izay lehiben'izy ireo. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17

♦ Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny famoahana ny 31,9 tapitrisa dolara, ho an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny FEC. Noho ny ezaka vitan'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny toe-karena ankapobeny no nahazoana izany fanampiana izany... ♦ Hanohana ny Filoham-pirenena amperin'asa mandritra ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara... ♦ Miantso vonjy manoloana ny tsy fandriam-pahalemna tena mahazo laka any amin'ny Distrikan'i Mahabo, Faritra Menabe, ny fikambanan'ny Distrikan'i Mahabo Mahity Miaraky na D3M...

♦ Hitohy amin'ny volana oktobra ho avy izao indray any Frantsa ny dinika momba ny fitakiana ireo "iles éparses". Ny fitadiavana marimaritra iraisana amin'ny Frantsay no tanjona, hoy ny ministry ny raharaham-bahiny, omaly... ♦ Kasaina hakarina ho 65 taona ny fandehanan'ny mpiasam-panjakàna misotro ronono. Mety hatolotra hodinihin'ireo parlemanta amin'ny fivoriana faharoa amin'ity taona ity ilay volavolan-dalàna mifehy izany... ♦ Ankizy sy olon-dehibe maherin'ny 17.700 isa no nahazo kaopiam-pahaterahana maimaimpoana teto amin'ny Faritra Analamanga, tanatin'ny tetik'asa "Etat-civil". Nanampy tamin'ny fanatontosàna izany ny OIF...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...