♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...
Misedra fahasahiranana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Menabe. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra. Ny vokatra miha-mitotongana noho ny tsy fahampian'ny rano entina anondrahana, indrindra ho an'ny tanimbary...
♦ Andrasana izay mety ho fandaminana eny amin'ny oniversitem-panjakana, manoloana ny fandraisana miaraka ireo mpianatra afaka bakalorea tamin'ny taon-dasa sy ireo vao afaka bakalorea tamin'ity taona ity... ♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika Kopia Faobe ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana, raha tsy voavaly ny fitakiany. Nohamafisiny tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana izany androany... ♦ Tsy azo ekena ny fanakorontanana rehetra mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena...
Mila fohazina sy kolokoloina ny voady nifanaovana mba ho tanteraka. Ny tenin'i Jesoa Mt 5, 48 "Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Ilana fiomanana ny fiainana ny antso ho an'ny fianakaviana : Fantarina ny tena sy ny olona manodidina izany hoe ny tena manokana, ny fianakaviany sy ny fombany, ny lala-nodiaviny, ny toe-batany, ny toe-tsainy. Ny fanorenana fianakaviana dia ilana vavolombelona anefa fadiana ny mamitaka an'Andriamanitra. Rehefa vita ny voady dia miezaka miaina ny "fenitra volamena '" : miserasera, miaina mari-pitiavana, mivavaka, ary farany miara-dalana amin'ny fiangonana. Ny MA.MI eny Ambohipo dia manao tantsoroka amin'ny fikolokoloina ny fiainan'ny mpivady...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco