I Kristiy no nanorina ny Sakramentan'ny Batemy mba hahafahan'ny olombelona ho tonga zanak'Andriamanitra satria noho io Sakramenta io dia afaka amin'ny fahotana tamin'ny fototra isika sy nandova ara-dalàna ny tena endrik'Andriamanitra araka ny efa nahariana antsika. I Jesoa Kristy dia nanaiky atao Betemy tamin'ny alalan'i Joany Batista. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Alatsinainy 21 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4
Sekoly fanofanana arak’asa no sahaza ny besinimaro, ka aza hadino izany ry mpanabe sy ray aman-dreny isan-tsokajiny. Satria izany ihany no lalana fohy sy tsotra indrindra hivoahana amin’ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana lavareny mangeja antsika... Koa na ny CEG na ny Lycée na ny Sekoly Ambony ho an’ny fianarana asa dia samy ilaina avokoa. Sambatra lahy ny ao Bongolava fa efa mba manana ny LTA ao Ambohitsoa, ao Tsiroanomandidy.
20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco