♦ Tanora 15 miralahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny fikambanana Salezianin'i Don Bosco androany, andro ankalazan'ny Eglizy maneran-tany ny nahaterahan'i Masina Maria... ♦ Ho tanterahana anio tolakandro ao amin'ny Katedraly Notre Dame de la Salette Antsirabe ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy fanaovam-beloma an'i Mgr Philippe Ranaivomanana... ♦ Havadika amin'ny fomba fandoavana mialoha ny saran'ny jiro ho jifainy na ny "mode prépaye ny kaonteran-jiro ampiasaina any amin'ny biraom-panjakàna manomboka ny voalohan'ny volana oktobra 2022...
Isika olombelona dia Fanahy - Aina - Vatana. Ny fahafenoan'ireo singa ireo dia midika fa tsara ny olombelona. Ireo telo ireo no tomombana dia azo antoka ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy mitsahatra mamerina ny antso avo ho an'ny fitondram-panjakàna hanaiky hidinika amin'ny hery velona tsy ankanavaka hanavotana ny firenena ny RMDM. Fikaonandoham-pirenena no takiana fa tsy fikaonandohan'ny mpanohitra... ♦ Miandrandra fifidianana mangarahara sy andraisan'ny rehetra anjara ny vondrona eraopeana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2023. Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivohon'ny io vondrona io eto Madagasikara, Ramatoa Isabelle Delattre... ♦ Nanolotra vary 5.000 taonina ho an'ny malagasy ny fitondrana indiana. Ireo olona marefo sy ireo niharan'ny voka-dratsin'ny rivo-doza sy ny tondra-drano teto amintsika tamin'ity taona ity no hisitraka izany...
08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco