05 aogositra — Teraka tany Ecosse i Masindahy Abel, mpitoka-monina bénédictin izy io, na dia teo aza ny toe-panahy tsara nananan’i Abel dia maro ireo nihetraketraka sy nanararoatra izany.
Misy voka-dratsiny amin’ny fianam-panahin’ny tanora ankehitriny ny fanatontoloana ary misy fiantraikany any amin’ny fiainan-tokatrano izany. Marina fa tsy ratsy avokoa ny vokany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana, izay hahafahan’ny olona mifandray avy hatrany. Ny tsy fahaizana mampiasa ny teknolojia avo lenta anefa dia miteraka olana ara-piaraha-monina, toy ny fiolonolonana sy ny kolo-tsain’ny fanjifana. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Zoma 5 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 24-28
♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco