♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...

Misedra fahasahiranana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Menabe. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra. Ny vokatra miha-mitotongana noho ny tsy fahampian'ny rano entina anondrahana, indrindra ho an'ny tanimbary...

♦ Andrasana izay mety ho fandaminana eny amin'ny oniversitem-panjakana, manoloana ny fandraisana miaraka ireo mpianatra afaka bakalorea tamin'ny taon-dasa sy ireo vao afaka bakalorea tamin'ity taona ity... ♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika Kopia Faobe ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana, raha tsy voavaly ny fitakiany. Nohamafisiny tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana izany androany... ♦ Tsy azo ekena ny fanakorontanana rehetra mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena...

Mila fohazina sy kolokoloina ny voady nifanaovana mba ho tanteraka. Ny tenin'i Jesoa Mt 5, 48 "Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Ilana fiomanana ny fiainana ny antso ho an'ny fianakaviana : Fantarina ny tena sy ny olona manodidina izany hoe ny tena manokana, ny fianakaviany sy ny fombany, ny lala-nodiaviny, ny toe-batany, ny toe-tsainy. Ny fanorenana fianakaviana dia ilana vavolombelona anefa fadiana ny mamitaka an'Andriamanitra. Rehefa vita ny voady dia miezaka miaina ny "fenitra volamena '" : miserasera, miaina mari-pitiavana, mivavaka, ary farany miara-dalana amin'ny fiangonana. Ny MA.MI eny Ambohipo dia manao tantsoroka amin'ny fikolokoloina ny fiainan'ny mpivady...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...