02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
Zoma 2 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39
♦ Fandalinam-pinoana sy fanentanana ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hetsika ara-kolontsaina no nanohizana ny JMJ any Antsirabe androany... ♦ Namoaka fananmbarana, manoloana ilay raharaha namoizana ain'olona tany Ikongo sy tany Ambolotarakely Ankazobe ny FFKM androany. Mangataka ny hisian'ny fisonam-pirenena kosa ny RMDM, nanoloana io zava-nisy tany Ikongo io... ♦ Nitokona sy nidina an-dalambe teny Ankatsoa indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, nitakiana vatsim-pianarana mbola tsy voaloa. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
♦ Andro faharoa amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 tanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe ny androany. Fandaharam-potoana ny maraina teo ny katesizy ho an'ireo mpivahiny isaky ny Site, tarihin'ny Eveka sy ny Pretra... ♦ Tsy maintsy atao ny famotorana momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny alatsinainy teo hoy ny filoham-pirenena. Hanaraka akaiky ny fizotran'ny fanadihadiana ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nanatanteraka fivoriana voalohany niaraka tamin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ho an'Antananarivo Renivohitra ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana na ny CENI...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco