♦ Volamena milanja 95 sy 800 grama indray no tra-tehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, saika entina antsokosoko any ivelany... ♦ Hivaha tanteraka ny olana amin'ny "délestage" manomboka amin'ny volana jolay, hoy ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Manodidina ny dimy alina ireo vehivavy tratry ny aretina mamanilava eto Madagasikara. Izany ho vehivavy 5/1000 no tratran'izany aretina izany...
Amin'izao fotoana izao dia efa misy ireo tambavy nohatsaraina ary nitondra fahasalamana ho an'ny rehetra na ilay atao hoe "RTA". Raha isika no mamaritra ny fatran'ny tambavy hampiasaintsika fa tsy miainga amin'ny fikarohana eto aloha dia mbola manao dokotera-tena ianao izay. Mba hanamorana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana dia entanina ny renim-pianakaviana mba hanatona ny mpitsabo akaiky azy... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.
Ny fivoahana amin'ny miresaka amin'ny tena ihany (monologue) no hahafahana mampirindra ny feo rehetra izay manome antoka ny tena serasera marina. Manampy antsika hanana fahaiza-manavaka, izay tsy inona fa fahaiza-mitodika amin'ny feo maro samihafa, ny tsy fihainoana feon-dakolosy tokana, ny mifampihaino, eny fa na dia ao amin'ny Eglizy aza, eo amin'ny mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Fa nahoana ary no miatrika fahasarotana ny fihainoana? Ny diplômatin'ny fiketrahana masina anankiray, Kardinaly Casaroli, dia niresaka momba ny " martirin'ny faharetana" ilaina amin'ny fihainoana sy ny hohenoina amin'ny fifanarahana amin'ny olona tena sarotra iresahana mba hahazoana ny tsara araka izay tratra ao anatin'ny famerana ny fahafahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco