♦ Mihemotra amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra, ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Mihatra amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izany teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na ny filazana loza manambana ireo Kaominina andalovan'ny reniranon'i Sisaony...

♦ Natsahatra tanteraka ny famokarana herinarata miainga any Andekaleka, vokatry ny fahasimbana samihafa. Mbola hitohy ny "delestage" eto Antananarivo, noho ny tsy fahampiana angovo aterak'izany, hoy ny Jirama... ♦ Mihazakazaka ny atsy amin'ny nosy Comores amin'ny fanadihadiana ilay volamena 49 kilao tratra tany an-toerana. Mangingina kosa isika eto Madagasikara, na misy teratany Malagasy roa aza voarohirohy... ♦ Hiverina an-tsekoly hiatrika ny telovolana faharoa ny mpianatra. Maro amin'ny ray aman-dreny no mametraka ahiahy, noho ny firongatry ny Covid-19, indrindra ny eto Antananarivo...

Mba hampiroborobo ny antso ho pretra dia isan'ny takiana amin'ireo voaantso ireto : Mampianatra ny olona hidera ny Ray, mamangy sy mikarakara ny marary, manampy ny reny misedra fiainana, fanomezana sakafo ny ankizy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Talata 4 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...