Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Tany amin'ny 596 km atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Sambava no nisy ny foiben'ilay rivo-doza DIKELEDI tamin'ny 3 ora tolak'andro teo...
  • Tranombarotra iray tao amin'ny tsenan'Ankirihiry-Toamasina no norobain'ny jiolahy miisa 3 nirongo basy, androany tamin'ny 1 ora tolak'andro. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola 1 gony...
  • Hamory mpanao pôlitika sy ny hery velona rehetra eto amin'ny firenena ny ACS sy ny KIIM ary ny HPM ny 17 janoary izao eny amin'ny Arrupe Faravohitra, entina hikarohana ny hevitra hanavotana ny firenena...
  • Nohamasinin'i Kardinaly Petro Parlin androany ny Eglizy vaovao tsy lavitra ny morondranon'i Jordany izay nanaovan'i Joany batemy ani Jesoa...

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...