Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Nitondra fanazavana momba ny raharaha Jean Luce Randriamihaotra sy ny antony nitanana am-ponja vonjimaika azy omaly ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo...
  • Miantso ny handalana ny fihavanana Malagasy, ny hanajana ny filaminana sy ny fitoniana eto amin'ny tany sy ny firenena ny Arseveka Anglikanina vaovao ny Mgr Dr Rateloson Rakondravelo Gilbert...
  • Mihamahazo vahana teo anivon'ny Faritra Anôsy sy doro tanety sy doro ala, nivory nitady vahaolana momba izany ny BNGRC, ny ekipan'ny ministeran'ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary ny Faritra Anôsy...
  • Notondroin'ny firenena mikambana ho tompon'antoka tamin'ny tifitra nahazo ireo fiara mpitondra fanampiana maha-olona avy amin'ny PAM niazo an'i Gaza i Israël...

I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.

Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...