Hatramin'ny fanovana nataon'ny Papa Paul VI, dia ankalazaina miaraka ny fetin'i Masindahy Basile sy i Grégoire de Naziance. Samy teraka tany Cappadoce nanodidina ny taona 330 izy mirahalahy ireto. I Basile avy any Césarée fa i Grégoire kosa avy any Nazianze. Samy nipoitra avy amina fianakaviana tena kristianina izy ireo.
Tsy atao hanelingelina ny fahanginana ny vavaka vita tsianjery teloha, fa fijoroana vavolombelona amin'ny faharetana amin'ny vavaka ireny, niainana sy nampiharina nandritra ny fiainana manontolo. Ireo manao ny vavaka tsotra sy feno fanetren-tena toa izany no mitrotro am-bavaka ny paroasy ; izy ireo no mpaneho ny fitohizan'ny fahazarana tsara ho amin'ny taranaka... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco